France : Zazalahy 13 taona no namono tena noho ny herisetra nahazo azy
Taona fahavalo tao amin’ny kolejy Louis Armand i Lucas, zazalahy 13 taona. Niharan’ny herisetra na « harcèlement scolaire » nefa izy ka nanapa-kevitra ny namono tena. Raha ny fanazavan’ny renin’io zazalahy io dia tia olona mitovy fananahana taminy ny zanany ary izany indrindra no antony nanaovan’ireo mpiara-mianatra azy herisetra taminy.
Efa niakatra teo amin’ny fitantanan’ny sekoly ny raharahan’i Lucas tamin’ny volana septambra 2022 raha ny fanazavan’ny talen’ny akademika ny sampan-draharahan’ny fanabeazam-pirenena ao Vosges, Valérie Dautresme. Efa nilamina ny raharaha taorian’izany ary tsy nisedra fanesoana intsony i Lucas hoy izy.
Ny sabotsy 14 janoary izao kosa no hotontosaina ny fandevenana an’i Lucas ao Épinal. Nanasa olona hanatrika izany ao anatin’ny vondrona LGBT ny ray aman-dreniny ho fanomezam-boninahitra azy.
