Fiahiana ara-tsosialy : Mahazo tohana avokoa ireo Malagasy marefo rehetra.
Hahazo tohana avokoa ireo Malagasy rehetra marefo. Efa 11% amin’ireo izay lazaina fa marefo amin’izao no efa nisitraka izany fanampiana sy fiahiana ara-tsosialy izany. Na dia nihena hatramin’ny 2% aza izany fisitrahana izany ny taona 2016 dia efa miezaka manarina izany ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.
« Raha ny isa izay nivoaka dia 1 454 283 ny isan’ny olona nisitraka izany fiahiana ara-tsosialy izany hatramin’izay ary samy nahazo ny anjarany avokoa ireo olona ireo na afnampiana ara-bola izany na ara-pitaovana. Teo ny fanampiana avy amin’ny FID ary teo ihany koa ny CERC. Maro ireo mpamatsy vola no miezaka manampy an’ny Madagasikara izay entina indrindra hamatsiana ireo sahirana », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy.
« Vinavina ny hampiakatra io taha io hatramin’ny 15% amin’ity taona ity. Mbola eo amin’ny 12% eo fotsiny no misy antsika amin’izao fotoana izao saingy ezahina ny hanatrarana izany tanjona lehibe izany », hoy i Patricia Rakotonirina, Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Mponina.
Tsy voatery hiandry ny fitondram-panjakana ihany anefa no afaka ny hanampy ireo sahirana sy marefo ireo. Anisan’ny azo ataon’ny tsirairay ny mitondra ny anajra birikiny na dia kely aza ho an’ireo mponina ireo. Ny tena tanjona lehibe indrindra dia ny hahatrarana ny 50% amin’ireo Malagasy sahirana ireo amin’ny 2030.
Miora Raharisolo
