Dépêches

Toetr’andro : Hikorontana ny asa andavan’andro noho ny rotsak’orana

Dépêche 13 janvier, 12h20, Araka ny hita sy izay hiainana dia nirotsaka foana ny orana tao anatin’ny 4 andro izay. Vokatr’izany dia miakatra ny rano, lasa marefo ihany koa ny tany ka atahorana mety hihotsaka izany. Atahorana noho izany ny fihotsahan’ny tany sy ny fikaran’ny rano ary ny varatra ka mety hampihena ny fahafahana miasa izany ho an’ny Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Entanina noho izany ireo izay voakasika amin’izany mba handray ny fepetra mifanaraka amin’ny tsirairay mba hialana sahady amin’ny loza mety hitranga.

Laisser un commentaire