Fanadiovana faobe tany Ilafy
06 Septambra, 10:00. Nanatanteraka fanadiovana faobe teny Ilafy sy Antanetibe ny sabotsy 4 septambra lasa teo ny ekipan’ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ny Fokontany sy ny rantsa-mangaika eny ifotony, ny CC Wash ary ireo mponina eny an-toerana izay tonga maro be. Tanana madio maha te-honina ary lavitry ny aretina no tanjona amin’izao hetsika izao.
