Torohevitra: Famotsiana helika amin’ny fomba tsotra sy natoraly
Miditra tsikelikely anatin’ny vanim-potaon’ny fahavaratra isika aminizao fotoana izao. na izany aza anefa, mbola mamely hatrany ny hafanana eny anelanelam-potoana eny. Rehefa mafana izay ny andro, maro no te hanao ankanjo maivamaivana. Anisan’ny manelingelina ny maso ary tsy mampahazo aina ny mahita ireo faritra mainty amin’ny vatana, toa ny eo ambany helika sy eo amin’ny tenda, kiho, elakela-pe sy ny sisa.
Vokatry ny fifampikasokasohan’ny hoditra samy hoditra na amin’ny lamba tery no mety antony mahatonga ny hoditra ho mainty. Mety ihany koa vokatry ny fiovaovan’ny tahan’ny hormona ao anatin‘ny vatana, indrindra ny vehivavy na ihany koa tsy fahazakana ireo akora ampiasaina, misy vokatra simika.
Azo atao tsara ny manala ireny tasy ireny amin’ny fomba tsotra sy natoraly. Sady fanalana ireo volo ihany koa amin’izay fotoana izay. Zavatra ilaina amin’izany, voalohany indrindra ny saribao sy ny tantely. Potehina hahazo vovony ny saribao ary afangaro amin’ny tantely 2 sotro, atao mahazo fangaro madity. Io fangaro io no atao fanosotra amin’ny helika, atao matetika izany mba hahitana vokatra haingana. Faharoa dia ny fampiasana ny tantely sy ny voasary makirana. Hafanaina ny tantely, ary arotsaka ao ny ranom-boasarimakirana ary avela ahazo fangaro madity. Hosorana amin’ny helika na faritra alana volo izany rehefa matimaty zakan’ny hoditra.
Tsara marihina, manamainty ary manimba ny hoditra ny fampiasa hareza. Ny fandratana ny helika amin’izy ireny no anisan’ny manamainty azy, toa izany ihany koa ny elakela-pe, izay tokony hialana tsikelikely.
Manitra Ramanantsoa
