Dépêches

Fanatanjahan-tena : Nandrombaka ny amboara tamin’ny lalao N1A ny COSPN

Dépêche 07 novembre, 16h, Nandavo ny ASCUT tamin’ny isa 78 noho 61 ny COSPN ka nisalotra ny tompondakan’ny Madagasikara tamin’ny lalao basket N1A. Nitazona ny toerany hiatrika ny lalao fifanitsanana amin’ny lalao hisafidianana izay ho tompon-dakan’ny Afrika na ny Road to BAL izay hatao any Cape Town any Afrika Atsimo ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra izao. Fanintelony ireto mpilalao avy ao amin’nuy Polisim-pirenena ireto no nisitraka izao amboaran’ny Madagasikara izao ary izany fandresena sy fanehoana fahaiza-manao izany dia efa nitondra azy ireo hisolo tena an’ny Madagsikara amin’ny lalao irauisam-pirenena maro.

Laisser un commentaire