ActualitésTatitra

Seychelles : Miditra amin’ny fampiasana « plateforme d’identification numérique » ny nosy

Ny volana aogositra 2021 i Seychelles no nanapa-kevitra fa hanafaingana ny fanovana nomerika ao amin’ny firenena, ho amin’ny fandraisana ny toekarena nomerika. Efa nipoitra ny vokatra voalohan’io fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny fanehoana tamin’ny fomba ofisialy ny « plateforme SeyID ». Mikendry ny fiantohana ny mari-pamantarana nomerika sy fiarovana an-jotra avo lenta io « plateforme » io.

Arakin’ny filoha lefitrin’ny firenena Ahmed Afif dia hetsika iray hafa nataon’ny DICT (Département des technologies de l’information et de la Communication) hanafainganana ny fanovana nomerika ao amin’ny firenena ny fametrahana io sehatra vaovao io. Ahafahana manao sonia antontan-taratasy an-jotra io « plateforme SeyID » io izay ilaina betsaka amin’ny fifanakalozana nomerika hoy io tompon’andraikitra io.

Laisser un commentaire