Hametrahana orinasa mpamokatra siramamy gasy ao Antsatramalaza Mandritsara
Ao anatin’ny fanomezana asa ireo tanora tsy an’asa fa ihany koa fanomezana lanja ireo vokatra vita malagasy tanteraka ny ankamaroan’ireo faritra maro eto Madagasikara amin’izao. Ho fanamorana ihany koa ny fiainan’ireo mponina eny ifotony, hiroso amin’ny fanantanterahana famokarana siramamy gasy vita amin’ny fary ny ao amin’ny faritra Sofia. Heritaona mahery teo izay no efa nisian’ny dinika teo amin’ny Governoran’ny faritra Sofia sy ny Formaprod mikasika ity orinasa ity ka izao hiroso amin’ny fanatontosana izao ireo tompon’andraikitra. Ny alarobia 26 may no tontosa ny fanolorana ireo orinasa hampiasaina mandritra ity famokarana ity ary aharitra 3 volana ny faharetan’ny asa izay iarahana amin’ny Tetik’asa Formaprod. Ity faritra Antsatramalaza ity izay faritra mamokatra fary betsaka indrindra any amin’ny faritra Sofia. Ireo tanora izay efa maro no nisehatra tamin’ny famokarana siramamy gasy ihany no raisina hiasa ato amin’ity orinasa ity. Ho an’iny faritra Sofia iny, azo lazaina fa efa tonga eny ifotony ny fampandrosoana amin’ny fanomezana asa ireo tanora ao an-toerana. Etsy ankilany ihany koa ny fanomezana lanja ny vokatra Malagasy.
Ally Herisoananahary
