ActualitésTsidika

Mahajanga : Fitsidihana ny trano mora sy fanomezana tambiny ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana

Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina amin’ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa izay tafiditra anaty ny vina nataony. Nihazo ny faritra andrefana iny izy ho amin’ny anio, izany hoe ny faritany Mahajanga. Nijery ireo trano mora miisa 150 ho an’i Mahajanga izy nandritra izany. Efitra telo ho an’ny fianakaviana iray no hita amin’izany, akoatran’izay ny toeram-pidioavana. Raha ny vinavina dia mahatratra hatramin’ny 60 tapitrisa Ariary any ho any ny vidin’ny trano iray mba hitsinjovana ny fahefa-mividin’ny fianakaviana. Manampy betsaka ny vahoaka tokoa ity trano mora ity hoy ny filoha satria tsy mividy tany intsony fa efa anatin’izany vidiny izany avokoa ny rehetra, ny olona hipetraka ao sy ny fanaka sisa no tsy ampy fa efa vonona avokoa ny ankoatran’izay. Fa nanaraotra ny fandalovana tany ihany ko aizy ny amin’ny hanolorana ny « Prime exceptionnelle » ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana miantsoroka amin’izao aretina Covid-19 izao. Teo amin’ny hopitaly Manarapenitra Mahavoky Atsimo any Mahajanga no nanolorana izany ho an’ireo mpitsabo sy mpisehatra rehetra ao amin’ny hopitaly hatramin’ny mpiandry vavahady aza. Fa tsy ambaka izany ihnay koa ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny CSB rehetra any Mahajanga fa nahazo ny anjarany ihany koa sy ireo ekipa mpanampy vonjy maika rehetra ary ny mpiasa tao amin’ny « Direction Régionale de la Santé » any an-toerana. Mbola tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus hatrany izao hetsika izoa ary ho fanosehana hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy ho kivy manoloana ny ady. Miisa 3 sisa ankehitriny ny marary tsaboina any an-teorana. Hisy fiatraikany amin’ny isa ve anefa ny hanokafana indray ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire