Nitsidika ny tsenan’Ambohimanarina i Marc Ravalomanana
Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina fa mitohy ihany koa etsy an-kilany ny fitetezan-tsena ataon’ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Raha ny hita dia miezaka manakaiky ny fon’ny vahoaka madinika ity filoha teo aloha ity. Midika ho fampielazan-kevitra an-kolaka ve izany ? Amin’ny maha olom-pirenena azy ka mitsika ny vahoaka eny ifotony izy ? Tsy vitsy ireo mitaraina aminy noho ny hasarotry ny fiainana. Nitsidika iny Ambohidratrimo makany Mahitsy iny izy ny faran’ny herinandro teo fa androany kosa no nandehanany teny Ambohimanarina sy ny manodidina. Ny tsena no tena tsidihiny noho izy ireny ambompihaonan’ny olon-drehetra. Fitsidihana tsotra ihnay no ataony hoy ny mpanaradia azy ao amin’ny antoko TIM. Miresaka sy mifampizara ary manome fanomezana eny an-tsena no ataony amin’izany. Tsy vitsy ireo manara-dia azy mandritra izany ary mieritreritra azy ho toy ny ray mihitsy ka hitarainana amin’ny fijaliana manjo. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka ve anefa izy ? Iza no tena tompon’andraikitra hamaha voalohany ny fahoriam-bahoaka eny ifotony ?
Nicole Rafalimananjara
