ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Vonona hiara-hiasa amin’ny firenena Malagasy i Japon

Nitsidika ara-panajana ny Jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny Ambasadaoron’ny Japon, Higuchi Yoshihiro, ny 23 novambra lasa teo. Teny aminy Toby jeneraly Ramarolahy tetsy Betongolo tamin’ny 10 ora maraina no nanatanterahana izany.

« Miarahaba sy mirary soa ary mankahery ny SEG amin’ny adidy aman’andraikitra sahaniny izahay ary vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Malagasy hatrany i Japon » hoy ny solontenan’i Japon. « Hisy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny Malagasy sy ny japoney indrindra indrindra eo amin’ny ady atao amin’ny asan-dahalo ary ny fanatevenana ny fitaovana enti-miasa isan-karazany » hoy ny Jeneraly SEG. Tafiidtra ao anatin’ny paik’ady atao hoe : « Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ». « Misokatra ho an’ny rehetra izay vonona hifanome tanana amin’ny fampandriana fahalemana ny Zandarimaria mba hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria.

Mbola olana lehibe eto amin’ny firenena hany ka tena mampijaly ny vahoaka tokoa ny tsy fandriam-pahalemana. Hirariana mba hitondra vokany lehibe amin’ny filaminam-bahoaka tokoa izao fiaraha-miasa izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire