Sehatry ny jono: Mizotra miandalana ny fizarana fampitaovana ho an’ny mpanjona manerana ny Nosy
Araka ny efa nampanantenaina ireo mpanjono sy ireo mpisehatra amin’ny jono mùanerana ny Nosy dia efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fizarana ireo fitaovana ho azy ireo. Samy hisitraka izany avokoa ireo mpanjona misehatra any amin’ny ranomasin’ny Madagasikara. Anisan’izany ny tao Ambovombe, sy ny tao Tsihombe. Aman-jatony ireo mpisehatra no nisitraka izany fitaovana izany.
“Efa haintsika fa asa be risika io jono an-dranomasina io. Entina indrindra hiarovana ny ain’ireo mpanjono ireo no antony tsy maintsy nanolorana ireny fitaovana fiarovana aina sy faanampiana amin’ny asa ireny. Ny tanjona lehibe ihany koa dia ny entin’izy ireo mivoatra hatrany amin’ny asa fiveloman’izy ireo. Entina hampiroboroboana ny Jono ao an-toerana ahafahana mampitombo ny vokatra”, hoy ny Minisitry ny Jono, Mahatante Paubert.
Misy ihany nafea ireo lesoka izay hitan’ireo mpahay toe-karena sasany amin’ity sehatra iray afaka hanarina ny harikarena fahoben’ny Malagasy ity. “Marina fa tsy dia ilaina fianarana betsaka ny fanjonoana kanefa ilaina ny mahafantatra fa misy fotoanany avokoa ny fanjonoana ny voka-dranomasina rehetra any. Araka izany dia tokony hampiofanina aloha ireo mpanjono ireo amin’io asany io ary mba hahafahany mampiasa antsakany ireny fiatovana nozaraina ireny ihany koa”, hoy i Marcellin, mpahay toe_karena.
Etsy andaniny anefa dia nankasitraka ny Minisitera ireo mpisehatra amin’ny ezaka hahafahan’izy ireo mahaleo tena sy manatsara ny asa fivelomany. Marihina fa avy amin’ny Tetik’asa Swiofish 2 no nahafahana nahazo ireo fitaovana nozaraina ireo. Sehatra iray mbola afaka trandrahina tsara ary afaka hatsaraina amin’ny fotoana mampety azy hatrany.
Miora Raharisolo
