Tsidika

Merina: Maro ireo fahalalam-pomba eo am-pisakafoanana

Nanaja mafy ireo fomba fanao mandritra ny fisakafoanana ny merina. Fady mihitsy izany mandoatra sakafo mialohan’ny zoky ray aman-dreny izany ho an’ny Merina. Ny zokiolona koa no manomboka mandray sotro na misotro rano. Tsy fanao mihitsy izany zandry manomboka voalohany izany. Raha mangetaheta ny Zandriolona, tsy misotro avy hatrany raha vao mahazo rano. Mila manontany ny zoky ray aman-dreny hoe : « Sao hisotro rano ianao ? ». Rehefa tsy hisotro ireo vao afaka misotro ny zandriolona.

Rehefa any afovoan’ny sakafo, sendra samy handeha haka laoka na vary fanampiny, mamela haingana ny zokiolona haka aloha ny zandry. Sady mampiseho hita mihemotra tsara no manao azafady ihany. Fady dia fady izany miara-maka, toa mifandrombaka, eny fa na dia mitovy taona aza. Raha toa misy tena mahamaika tsy maintsy andehanana dia miala tsiny: « Azafady fa handao homana ». Ny zokiolona no mametra-tsotro voalohany. Raha vita sakafo mialoha ny zandriolona dia mody manohy mihinana aloha mandra-pitsahatry ny zoky ray aman-dreny.

Na an-databatra, na eo an-dambanana dia mitovy foana ny fahalalam-pomba. Mbola voahaja ve izany ankehitriny ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire