Andohatapenaka: Lavon’ny bala ny mpamatsy basy ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana
18 Jolay, 16h 30 Nisy lehilahy 02 mpivarotra basy tamin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nihaodihaody teny Andohatapenaka raha ny tatitra azon’ireo manam-pahefana. Tonga teny an-toerana ny Polisy nanao ny vela-pandrika. Vao nahita azy ireo nefa ireo roalahy ireo dia namoaka ny basy tsara fahana teny am-balahany. Nitarika nifampitifirana izany ka lavon’ny manam-pahefana teo noho eo izy roalahy. Mbola tratra teny amin’ireto farany tamin’izany ny poleta miisa 02 miaraka amin’ny bala maromaro sy ody gasy.
