Fanabeazana: Hizara dimy ny taom-pampianarana 2022-2023
18 jolay, 14h00, Hizara dimy ny taom-pampianarana 2022-2023 raha ny tetiandro navoakan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hanomboka ny 5 septambra 2022 izany ary hifarana ny 23 jona 2023 izany. Misy fialan-tsasatra telo tahaka ny mahazatra mialohan’ny fialan-tsasatra lehibe (24 jona 2023). Ny 29 oktobra hatramin’ny 6 novambra ny fiatoana voalohany. Ny 24 desambra hatramin’ny 8 janoary kosa ny fialan-tsasatry ny noely ary ny 8 aprily hatramin’ny 23 aprily ny fialan-tsasatry ny paka.
