Covid-19 : Olona telo no lavon’ny valan’aretina
18 Jolay, 15h 45 Mbola mitoetra ny valan’aretina covid-19. Na mihena aza ny trangan’aretina dia mbola mamono olona izany. Raha ny antontan’isan’ny 9 jolay hatramin’ny 1 jolay teo dia 189 tamin’ny 6 891 nanao fitiliana ny tranga vaovao nanerana ny nosy. Telo kosa no namoy ny ainy.
