Anosy Avaratra : Nisitraka rano fisotro madio ny mponina
Nosokafan’ny ben’ny Tanàn’Anosy Avaratra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny asabotsy ny paompy fizarana rano ao amin’ny Ambohitrinimanga, faritra faha-4. Hamatsy rano fisotro madio ho an’ny vahoaka amin’iny faritra iny ity fotodrafitr’asa ity.
« Hanampy betsaka ny vahoaka izany paompy izany. Tsy handeha alavitra intsony ireo mponina rehefa maka rano. Raha sanatria lany ny rano ho an’ny manana lava-drano na vovo dia eo akaiky eo indray izy ireo no maka rano » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc.
« Hisy ny fanentanana ireo mponina mba hanjifa ny rano mandritra ny herinandro. Maimaimpoana ny fanomezana rano ao anatin’izay » hoy ny tompon’andraikitra.
Manentana ny rehetra noho izany ny avy ao amin’ny kaominina mba hanjifa ny rano fisotro madio. Betsaka tokoa ireo niara-niasa tamin’ny kaominina tamin’ity tetik’asa ity toy ny WADA, WSUP, Coca-Cola Fondation, JIRAMA.
Nicole Rafalimananjara
