Mitokona ireo mpivarotra eny Behoririka amin’izao fotoana izao, ka miteraka fikorontanana amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara.
Mitokona ireo mpivarotra eny Behoririka amin’izao fotoana izao, ka miteraka fikorontanana amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara.
Voakasika manokana ny lalambe mampitohy an’i Andravoahangy sy Behoririka, izay efa ahitana fitohanan’ny fiara sy fahasarotana amin’ny fifamoivoizana.
Noho izany dia voatery miodina eny ambanin’ny tetezana ny ankamaroan’ny fiara, ka miteraka fitohanana amin’ireo làlana manodidina.
Amporisihina ireo mpampiasa lalana hitandrina sy hisafidy làlana hafa raha azo atao.


