ActualitésTatitra

Brésil : Namoy ny ainy ilay jiolahy kalaza indrindra ao an-toerana, Pedrinho Matador

Voasokajy ho isan’ny « tueur en série » lehibe indrindra ao Brésil izay namono olona manodidina ny 100 isa i Pedro Rodrigues Filho fantatra amin’ny anarana hoe « Pedrinho Matador ». Maty voatitry ny basy tsy lavitr’i Sao Paulo izy ary nisy ny fanokafana ny fanadihadiana ny alahady teo tao Mogi das Cruzes manoloana ny tranga.

Bala maro no hita tamin’ny vatan’i Pedrinho Matador. Nitsoaka kosa ireo voarohirohy amin’izany taorian’ny nitifiran’izy ireo an’ity farany raha ny tatitry ny sekretarian’ny filaminam-bahoaka ao Sao Paulo. Raha tsiahivina dia efa nigadra 42 taona an-tranomaizina i Pedrinho Matador ary nivoaka ny taona 2018.

Laisser un commentaire