ActualitésTsidika

Antsohihy : Voasambotra ny tovolahy mpisetrasetra mpianatra

Andiana tanora voatondro ho nikasi-tanana mpianatra nanao fety tao amin’ny Sekoly Victoire Rasoamanarivo Antsohihy no voasambotra. Raha tsiahivina, tovoloahy mpianatra ao amin’io sekoly io no nodarohan’ireo andiana tanora nandritra ny fetin-tsekoly ny 25 febroary lasa teo.

Nikasa ny hamerina hikasi-tanana indray izy ireo ny 28 febroary lasa teo ary izao voasambotra izao. « Tsy fantatra izay tena nioatombohan’ny disadisa teo amin’izy ireo. Mpianatra tato aminay kilasy seconde no voakasi-tanana niampy fandrahonana » hoy ireto mpampiantra. « Saika mbola hanohy ny daroka sy fampihorohoroana izy ireo androany‚ ary efa vory maro teo amin’ny manodidina ny sekoly. Efa mailo ihany ireto mpianatra. Niantso ny ray aman-dreniny sy ny zokiny ary izahay mpampianatra. Nirohitra nitosaka ireto andian-jatovo ireto. Voasambotra ny iray tamin’izy ireo. Mbola nivazavaza sy nilaza ho tsy matahotra na hifamono aza » hoy ny tompon’andraikitra ato amin’ity sekoly ity.

Nentin’ny mpitandro filaminana izy ireo ary nanaovana famotorana. Tovolahy efa mpisetrasetra sy mpampihorhoro mpianatra any Antsohihy ity voasambotra ity, raha ny fantatra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire