ActualitésTatitra

Etats-Unis : Niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy ny horonantsary nahafaty an’i Irvo Otieno

Lehilahy mainty hoditra nanana olana ara-tsaina i Irvo Otieno, 28 taona. Maty sempotra noho ny fihetsika feno herisetra nataona manam-pahefana sy mpitsabo mpanampy nandritra ny nitondrana azy tao amin’ny hopitaly ho an’ny tsy salama saina iray tao Virginie izy ny 6 martsa teo. Raha ny fanazavana dia polisy fito avy ao Henrico, manam-pahefana telo avy ao amin’ny Central State Hospital tao Petersburg ary mpitsabo mpanampy maromaro tao amin’ny hopitaly no nitolona io lehilahy io ka niteraka ny fahafatesany.

Marihana fa mainty hoditra avokoa ny ankahamaroan’ireo mahavanon-doza ireo. « Notaritaritiny toy ny alika ary loza noho izany aza ny zanako » hoy ny renin’i Irvo Otieno, Caroline Ouko. Nanaporofo izany ny horonantsary izay niparitaka ny 21 martsa teo izay naneho ny zava-nitranga tamin’io androan’ny 6 martsa io. Efa voasambotra kosa ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha raha tatitry ny mpampanoa lalàna tao an-toerana, Ann Cabell Baskervill.

Laisser un commentaire