Ambohimanga Rova: Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hiala amin’ny taniny ny mponina ao Ambodisiarivo
Nisy ny ady tany eo amin’ny mponina ao amin’ny fokontany Ambodisiarivo, kaominina Ambohimanga rova, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Tanimbary, tanimboly ary tanàna mirefy 67ha mahery no kasain’olona, izay mampiasa fikambanana, halaina amin’ireo mponina efa nanazary ny toerana, araka ny voalaza.
“ Fototry ny fiainan’ny mponina eto ny fambolena sy ny fiompiana ka tsy hiala ary tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fanesorana anay amin’ny taninay izahay. Tsy manana diplaoma fa tantsaha avokoa ny mponina eto ka raha voaroaka eto dia mba ho aiza » hoy i Pascal, mponina ao Ambodisiarivo.
« Tsy eken’ny kaominina ity raharaha ity ; ary ny kaominina ihany koa dia miara-dia amin’ny vahoak’Ambodisiarivo, manohitra ny fanesorana ny vahoaka amin’ny taniny. Izay marihina fa tsy nandalo filan-kevitra kaominaly izao raharaha izao » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
Vonona ny hiady hatramin’ny farany araka izany ireo mponina ao an-toerana ireo ary hanohitra ny tsy rariny amin’ny fakana ny taniny. Marihina fa talohan’izao tranga izao, dia nisy ny famitahana ny mponina tamin’ny fanomezana vola 1 tapitr’isa ariary ary olona manodidina ny 70 isa tao an-toerana no efa naharay izany, araka ny voalaza hatrany, izay endrika takalo nakana ny tranon’ireto mponina ireto.
Manitra R.
