ActualitésTatitra

Maurice : Tsy mipetrapetra-potsiny ireo mpianatra mandritra ny fotoam-pialàn-tsaratra

Ahafahan’ireo tanora mahaleotena ara-bola mandritra vanim-potoan’ny fety ny fiasàna mandritra ny  fotoam-pialàn-tsaratra hoy i Jahmaël Amélia. Marihana mantsy fa an-toerana dia miasa avokoa ny ankahamaroan’ireo tanora mpianatra rehefa fotoam-pialan-tsasatra, hatramin’ireo mbola tsy ampy taona na dia hentitra ny lalàna momba izany.

Ho an’i Jean-Alain, 17 taona dia efa ho 13 andro izy no niasa tamin’ny toeram-pivarotana iray tao amin’ny renivohitra. Safidiny fa tsy faneriteren’ny ray aman-dreniny ny hiasa raha ny fanazavany ary handraisany karama 12 000 Rs isam-bola izany. Ankoatran’io tovolahy io dia misy ihany koa ireo tanora toy an’i Shaheel, 16 taona, miasa ho an’ny ray aman-dreniny mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra.

https://defimedia.info/emploi-ces-mineurs-qui-ne-choment-pas-pendant-les-vacances-scolaires

Laisser un commentaire