Somalie : Mety hahafaty olona 135 isan’andro ny hain-tany
Nanatontosa fanadihadiana momba ny mety ho vokatry ny hain-tany ao Somalie ny « London School of Hygiene and Tropical Medicine » sy ny « Imperial College» tao Londres. Mandoza ny vokatr’izany raha ny tatitry ny ministeran’ny fahasalamana ao an-toerana, ny OMS (Organisation mondiale de la Santé) ary ny masoivohon’ny Unicef.
Nilaza izy ireo fa mandritra ny telo volana voalohany amin’ity taona 2023 ity dia mety hanodidina ny 18.100 sy 34.200 isa ny trangam-pahafatesana vokatry ny hain-tany, izany hoe manodidina ny 135 isa isan’andro. Zaza latsaky ny 5 taona kosa no maro an’isa amin’ireo. Ankoatra ny ain’olona hafoy dia eo ihany koa ny an’ireo biby raha ny fanamafisan’izy ireo. Biby fiompy an-tapitrisany no heverina ho ripaka noho ny tsy fahampian-drano ao amin’ny Corne de l’Afrique.
Raha tsiahivina dia efa 43 000 isa ny olona matin’io hain-tany io tao Somalie tamin’ny taona 2022 teo araky ny antontan’isa navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana tao an-toerana, ny OMS ary ny Unicef hatrany.
