Guinée : EOB, tompondakan’ny Slam aty Afrique
Ny 16 febroary 2022 lasa teo no notontosaina tao Addis-Abeba, tao Ethiopie ny andiany faharoa tamin’ny « CAN de la slam et de la poésie ». Solon-tenana avy tamin’ny firenena valo taty Afrique no nandray anjara tamin’izany.
I Guinée no nibata ny amboara tamin’izany manoloana ny fahaizan’i Eljhad Oumar Baldé mitondra ny anarana entina miantsehatra hoe EOB. Teraka ny 19 aogositra tao Banankoro, zana-prefektioran’i Guinée ny tovolahy. Io toerana io no namolavola ny fahaizan’i Eljhad Oumar Baldé na teo amin’ny lafiny fampianarana na teo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Telo taona monja ihany koa izy dia nilomano teo amin’ny sehatry ny teatra.
Noho ny antony ara-pahasalamana dia nifindra tao Conakry i Eljhad Oumar Baldé. Notohizany tao an-toerana ny fianarany ary niditra vondrona mpanao teatra izy. Teny amin’ny ambaratonga fahatelo izy vao nahalala fa nanana talenta tamin’ny Slam. Nandray anjara tamin’ny fifaninana samihafa izy nanomboka teo toy ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny Slam tao Guinée tamin’ny taona 2017. Marihana fa izy no nadresy tamin’izany.
