ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy niady ho an’ny zon’ny amerikanina mainty hoditra i Rosa Parks

Rosa Louise McCauley Parks antsoina Rosa Parks dia teraka ny 4 febroary 1913 tao Tuskegee, Alabama ary maty ny 24 oktobra 2005 tao Détroit ao Michigan.

Vehivavy amerikanina mainty hoditra i Rosa Parks, niady tamin’ny fanavakavahana ara-poko tao Etats-Unis izy ary nomena anaran’ny kongresy tao Amérique ny anarana hoe « renin’ny hetsika ho an’ny zo sivily ». Toy ny nataon’ireo vehivavy mpiady tamin’izany talohany : Claudette Colvin, Aurelia Browder ary Mary Louise Smith dia tsy nanaiky namela ny toerana ho an’ny lehilahy fotsy hoditra iray tao anaty fitateram-bahoaka i Rosa Parks tamin’ny 1 desambra 1955.

Nosamborina izy noho izany ary nandoa lamandy 15 Dollars. Niakatra fitsarana izy ka nitarika fihetsiketsehana sy fanaovana ankivy ilay orinasam-pitaterana nandritra ny 380 andro ny pasitera Martin Luther King sy Ralph Abernathy.

Laisser un commentaire