ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Asa lehibe no miandry an’ny Madagasikara amin’ny fanarenana ny ala

Mitaky asa vaventy sy maika ny fanarenana ny ala eto Madagasikara, asa lehibe izay tsy ho vitan’ny olona ankehitriny fa mbola hiantraika hatramin’ny fara mandimby mihitsy. Ny anton’izany dia satria 10% sisa ny velaran-tany misy ala eto Madagasikara vokatry ny tsindry maro tsy tambo isaina mihatra amin’ny ala eto Madagasikara. Isaky ny 21 martsa ny andro iraisam-pirenana ho an’ny al aka ny lohahevitra nentina nankalazana izany tamin’ity taona ity dia ny “ny ala sy ny fahasalamana”. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahasalamana ny ala ka araka izany dia asa lehiba no miandry ny Malagasy amin’ny fanarenana azy io.

“Ny tanjona amin’izao fotoana izao di any handrakotra ala indray an’ny Madagasikara. Manana anjara andraikitra amin’izany avokoa ny Malagasy rehetra arka izany. Mba ho fiarovana izany ala sisa tavela izany dia misy ny fanentanana sy hetsika maro entina hampahafantarana ireo tsindry ireo sy ny paikady amin’ny ady amin’ny fandripahana ny ala”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy.

Nifandray tamin’izany fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny alai zany ihany koa dia nandray anjara tamin’ny fivoriana izay nokarakarain’ny FAO ny Minisitra VINA Marie-Orléa. Narosony nandritra izany ireo paikady hiarovana sy hampitomboana ny ala indray. “Hotanterahina ny velirano 10 izay mikasa ny handrakotra ala an’ny Madagasikara ka hambolena hazo 75 000ha isan-taona. Eo ihany koa ny fampitomboana ireo faritra arovana ary ny fiaraha-miasa mivaingana amin’ny Vondron’olona Ifotony amin’ny fiarovana sy ny fikarakarana ny ala”, hoy ny Minisitra, nandritra izany fihaonana izany.

Maro ny tombony azontsika amin’io alai o ka tokony samy hiaro sy hitandrina izany avokoa ny tsirairay. Miantoka ny fisian’ny rano; mandrindra  ny toetrandro; fonenan’ireo biby isan’karazany izay mampiavaka an’i Madagasikara; manome rivotra madio; miantoka ny fahasalamantsika; manasoa ny nofon-tany; mitazona ny entona karbona; miady amin’ny fiovan’ny toetrandro, izany rehetra izany no soa entin’ny ala amin’ny fiainana. Anisan’ny fihetsika azo atao ny mamboly hazo fihinam-boa eo an-tokotany ho an’ireo izay manana fahafahana. Eo ihany koa ny fialana amin’ny arina fandrehitra sy ny kitay,…

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire