Seychelles : Mpitsabo avy amin’ny firenena maro no tonga manatevin-daharana ao an-toerana
Firenena isany mivelatra indrindra aty amin’ny ranomasim-be indianina. Misokatra amin’ny firenena maro izy ary isany manana fifandraisana betsaka ihany koa. Hita taratra amin’ny sehatra maro izany ary efa manomboka hita taratra eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana.
Mpitsabo manam-paizana manokana 5 avy ao Chine no nigadona tao an-toerana ary hiasa ao amin’ny hopitaly ao Seychelles. Misy « cardiologue, orthopédiste, radiologue » ary manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana nentim-paharazana amin’izy ireo. Raha ny fanazavana dia hisy mpitsabo hafa ihany koa avy ao amin’ny nosy Malte andrasana ao amin’ny firenena.
Roa taona kosa ny faharetan’ny fifanaraha arak’asa an’ireo mpitsabo ireo. Raha tsiahivina dia hatramin’ny taona 1985 no nisy ny fifanohanana teo amin’ny sehatra ara-pahasalamana teo amin’i Chine sy Seychelles. Mpitsabo mahery ny 108 avy ao Chine no efa nanolotena niasa tao amin’ny hopitaly tao Victoria.
