ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Manome lanja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ny servisy Raoka fako

Nisy ny fifaninanana baolina kitra, nokarakarain’ny kaominina Ambohimanambola, nandritra ny hetsika fanentanana ny servisy Raoka fako, tao amin’ny fokontany Tanjonandriana. Manome lanja ny tanora sy ny fanatanjehan-tena ihany koa ny servisy, tamin’ny alalan’ny fifaninanana “Is’isika” raha ny voalaza.

« Notontosaina ny alahady 09 jolay teo ny fifaninana baolina kitra ho an’olona efatra izay ao anatin’ny hetsika fanentanana amin’ny fametrahana ny servisy Raoka fako tao Tanjonandriana. Maro ireo kilonga sy tanora tonga nilalao sy nifampizara hafaliana tamin’ny kaominina, servisy rano fanadiovana Fidiovana tao amin’ny kianja Ambany Atsimo Tanjonandriana » hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara ny hetsika.

« Isaorana ny mpikarakara ny lalao fa tena niala voly tokoa ireo ankizy sy ny tanora nandritra ity fanentanana ity. Ny baolina kitra dia tena anisan’ny kilalao tian’ny tanora ka anisan’ny nanohana sy nanome lanja izany ireo mpikarakara » hoy i Tiana, mponina ao Tanjonandriana.

 Tanjon’ny fifaninanana moa ny fampianarana ireo tanora ho tomponandraikitra sy fanafoanana sahady ireo fako misy mialohan’ny fisokafan’ny servisy. Tonga nanotrona izany tao an-toerana moa ny ben’ny tanàna Soanantenaina Rahagarison sy ireo mpiara-miasa aminy nanome voninahitra ny hetsika.

Manitra R.

Laisser un commentaire