Mitombo isa ireo tanora tsy ampy taona mitondra vohoka
Tanora manomboka eo amin’ny dimy ambin’ny folo taona hatramin’ny sivy ambin’ny folo taona no tena betsaka amin’ireo vehivavy mitondra vohoka eto Madagasikara.
Betsaka tokoa ireo tanora no mitondra vohoka nefa mbola kely. Efa miroso amin’ny firaisana ara-nofo avokoa ireo tanora ankehitriny. Sivy amby telopolo isan-jato ny vehivavy tanora Malagasy no mitondra vohoka aloha loatra. Misy ireo tratra ny vohoka tsy niriana fa misy kosa ireo misafidy hiteraka mihitsy.
« Anisan’ny nampiakatra ny tahan’ireo tovovavy mitondra vohoka aloha loatra ity krizim-pahasalamana handalovan’ny firenena ity » hoy ny tatitry ny mpiasan’ny fahasalamana. Raha ny nambaran’ny Rasazy mpampivelona iray kosa: Telopolo isan-jato ny vehivavy misafo dia tanora avokoa. « Tsy fahampiana serasera eo anivon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka no tena antony voalohany mampirongatra ny vohoka aloha loatra. Ny ankizy tia manandrakandrana ka raha vao tsy misy arofanina ao an-tokantrano izy avy hatrany dia mijoboka ao » hoy kosa i Charlotte, mpitarika ao amina fikambanan’ny tanora iray. Mirona any amin’ny fisorohana indray kosa ny hevitra voizin’i Hanta Ramakavelo amin’ity resaka ity: « Aleo ny tanora entanina hanantona tobim-pahasalamana mba hanao fanabeazana aizana afahany misoroka ny vohoka aloha loatra raha efa tafiditra amin’ny firaisana ara-nofo izy ».
Tokony hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana ny fitondrana indrindra ny eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka mba hampihenana ireo tanora mitondra vohoka aloha loatra. Efa misy ihany ireo fikambanana sy akany ary tobim-pahasalamana no manao hetsika fanentanana ny tanora tsy hiroso amin’izany na koa hiaro tena fa kely ny vokatra. Tsara raha ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana mihitsy no manao hetsika manerana ny Nosy ho fisorohana izany. Anisan’ny handrefesana ny taham-pahantran’ny firenena iray ny isan’ny mponina ao aminy, moa tsy hijanona ho anisan’ireo firenena mahantra hatrany ve i Madagasikara raha tsy arindra ny fiterahana eto amintsika ?
Tsangy Randriamampianina
