ActualitésTsidika

Nahazo jiro « Cobra » ny Kaominina Toamasina I

Manohana ny kaominina Toamasina I ny Assurance Aro. Nanolotra jiro « cobra » miisa 20 mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hanazava ny orinasa Assurance Aro ny Talata 17 Aogositra 2021 teo. Nanapa-kevitra ny kaominina fa hapetraka ao amin’ny fokontany Andranomadio parcelle 11/43 ireo fitaovana ireo.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Aro, Andrianary Lantonirina fa miezaka miara-miasa amin’ny kaominina manerana ny Nosy ny orinasal Aro sady mandray anjara amin’ny asa sosialy sy ny lafiny fandriam-pahalemana. Faritra mena anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ao Andranomadio. Hita ao avokoa ny vaky trano, fanendahana, fanafihana mitam-piadiana. Mirefy 4 ha ity fokontany ity ary ahitana trano 6 000 sy mponina miisa 17 300. Maizina ny tanàna teo aloha ka izao nahazo jiro manazava izao.

Ho an’ny ben’ny tanàna, Rakotonirina Nantenaina : « tokony ho halain’ny orinasal hafa tahaka ny fiaraha-miasa toy ny ataon’ny Aro izao ». Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny fametrahana fahazavana hoan’ny daholo be sy ny fandriampahalemana. Marihina fa hirosoan’ny orinasal Aro ihany koa ny fametrahana firenena maito sy ny fahasalamana.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire