ActualitésTsidika

Sosialy: Foana ny haba sy ny hetra amin’ireo kaontenera mitondra kilalao ho an’ny sahirana.             

Fotoan’ny famalifaliana sy fanolorana fanomezana ho an’ireo sahirana ny fetin’ny faran’ny taona toy izao. Kaontenera miisa 49 nofoanana ny haba sy ny hetra satria mitondra ireo kilalao izay ho zaraina ho an’ny ankizy sahirana izany. Manana zo ny hifaly ny ankizy rehetra na ireo sahirana aza ka hanatratarana izay tanjona izay dia miezaka hatranyn ny fikambanana maro mizara kilalao sy vatomamy ho azy ireny hifalifaliany mandritra ny fety. Anisan’ny mandray anajara amin’ny hetsika toy izany ihany koa ny Ministeran’ny Mponina.

“Tafiditra aoa antin’ny tetik’asa Ankizy Krismasy ny fanafarana izany kilalao isan-karazany ho an’ny ankizy 2 ka hatramin’ny 14 taona sahirana izany. Nofoanana ny haba sy ny hetra satria hatolotra maimaim-poana ireo kilalao ireo ka tsy hisy akory ny tombony ho azo. Faritra 23 dia samy hisitraka izany fanomezana izany avokoa. Fanomezana natolotry ny ankizy sy tanora kristianin avy any Amerika sy Canada ihany koa mantsy ireo zavatra ireo”, hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny Mponina.

“Hizara fanomezana sy kilalao ho an’ireo sahirana tokoa anie fa tsy hanao politika. Ary tiako tsindriana hoe olona sahirana fa tsy hoe olona safidifidiana no hotolorana izany. Ireo zaza sahirana mantsy izao mety mety mba te hitovy amin’ny ankizy rehetra omena kilalao ka anjaran’izy ireo no mba misitraka izany”, hoy i Tamby, mpandinika fiaraha-monina.

Toetra tsara hananana hatrany ny manolotra izay zakan’ny tena ho an’ireo sahirana indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fety toy izao. Na tsy misy aza ireo kaontenera ireo dia tokony hita taratra fa ny Malagasy mahay mifety amin’ny lafiny rehetra ary mahay mifanampy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire