ActualitésTatitra

Mayotte : Tsy hifanandrina amin’ny tompondakan’ny nosy indray ny mpikatroka Rugby avy ao La Réunion

Tokony hotontosaina ny sabotsy 10 desambra izao ny lalao « Rugby à 10 » hifanandrenan’ny tompondakan’i Mayotte sy ny mpilalaon’i La Réunion. Manoloana ny fitoraham-bato ny fiara nitondra ny mpilalao basketin’i Saint-Denis, La Réunion tao an-toerana nefa dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa tsy hiatrika ny fifaninana.

Nankatoa izany fanampahan-kevitra izany ny filohan’ny komity ny rugby tao Mayotte, Éric Landmann. Ny ho avin’ny rugby no mety ho simba hoy izy raha misy korontana mandritra ny fahatongavan’ny mpilalaon’ny La Réunion ao an-toerana. Manoloana izany dia nahemotra amin’ny volana febroary 2023 ny fiaonana. Ny komity no handray an-tanana ny miantoka ny saran-dalan’ny mpilalaon’i La Réunion amin’izay fotoana izay raha ny fanazavan’i Éric Landmann. Hiara hiasa amin’ny manam-pahefana ihany koa izy amin’izany fotoana izany hoy izy.

Laisser un commentaire