Tontolo iainana : Efa arovana fatratra ireo sokatra ao amin’ny Baie de Baly
Taorian’ny fahamaizan’ny ala ao amin’ny Baie de Baly dia atahorana fatratra ny mahakasika ireto biby arovana ireto. Manana ny maha izy azy sady mahasarika mpizaha tany maro tokoa ireto biby ierto ka izany no anisan’ny antony iray hiarovana fatratra azy ireo.
Hatreto dia tsy mbola voakasiky ny afo ny faritra honenan’ireto sokatra ireto ao Angonoka. Mba hitohizan’izany dia efa manao ny fiarovana ireo sokatra amin’ny afo ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra rehetra. Mifanampy amin’ny fametrahana aro afo manodidina ny toerana misy ireo sokatra ireo ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny Diredd Boeny-Betsiboka, ny Madagascar National Parks ary ny Durrell.
« Samy tompn’andraikitra ka samy manao izay tandrify azy ho fiarovana ireto sokatra ireto ny tsirairay aty an-toerana. Hofefena ity toerana ity hahafahana miaro azy ireo amin’ny afo ary hatao laharam-pahamehana izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Hatreto dia mbola miteraka fidiram-bola ho an’ny mponina any an-toerana ny fisian’ireto sokatra ireto ao anatin’io faritra arovana Baie de Baly io. « Mahasarika mpizaha tany ireo, mandeha ny tsena, sy ny resaka fivarotana sakafo sy ny hotely aty aminay noho ireo biby ireo satria betsaka ny mpizaha tany tonga ty hijery azy ireo fotsiny », hoy i Joseph, mponina ao Beaboaly.
Arovana aloha ny biby sy ny zava-manan’aina mbola afaka arovana ao an-toerana. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny mitady ireo nahavanon-doza nampisy ny firehetana tao an-toerana. Tokony sarotiny ny tsirairay amin’izany satria fananana iombonana io sady fivelomana ihany koa ho an’ny olona sasany.
Miora Raharisolo
