ActualitésCultureTsidika

Ankadikely Ilafy: Hiditra amin’ny herinandro fahatelo rahampitso ny “Fête foraine special vacances 2023”

Ao anatin’ny fety atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo fokontany 18 ao an-toerana, miditra amin’ny herinandro fahatelo, manomboka rahampitso zoma ny hetsika “Fête foraine special vacances 2023”. Ny fokontany Ankadikely sy Manjaka, miaraka amin’ny fokontany Antanetibe indray no hisitraka izany mandritra ny telo andro manaraka, araka ny voalaza.

“Manasa ny rehetra ho tonga maro indray mandritra ity hetsika ity. Tahaka ireo teny amin’ny fokontany hafa efa nanatanterahana ny hetsika, hisy ny fialamboly ho an’ny rehetra ho hita ety an-toerana, indrindra ho an’ny kilonga amin’izao fialan-tsasatra izao” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa ela no nianadrasana izao ny teto amin’ny fokontany, hatramin’ny nisian’ny fampahafantarana ny mahakasika ny hetsika ka tonga ihany izy ity. Hisaorana ny tomponadraikitra manome lanja ny famoronana sy ny fanomezana fialamboly ho an’ny ankizy” hoy i Faniry, mponina ao Ankadikely.

Tahaka ireo kilalao hita teny amin’ny fokontany hafa, hisy ny soavaly hazo sy ny manezy ao an-toerana, mandritra izany. Hisy ihany koa ireo karazana fanentanana isan-karazany sy fampirantiana fanohanana ny famoronana ao amin’ireo fokontany.

Manitra R.

Laisser un commentaire