Fifamalian’ny vehivavy lehibe amin’ny Internet.
Anisan’ny miteraka adihevitra teo amin’ny samy mpomba azy ny fifamaliana teo amin’i Mialy Rajoelina sy i Ernaivo. Miteraka fifampihantsiana mihitsy ary izany manerana ny tambazotrantserasera. Milaza ho samy manana ny marina sy ny rariny na ny andaniny na ny ankilany. Naneho ny hatezerany manoloana ny rahaharaha nahavoasaringotra mpisolo vava iray i Fanirisoa Erinaivo izay any frantsa amin’izao fotoan izao. Tamin’ny alalan’ny horonantsary tao amin’ny “facebook” moa no nanaovany izany. Maro moa no nanohana izay fanehoan-kevitra izay, teo ihany koa ny tezitra ka namaly avy hatrany. Voalazany tamin’izany fa mpanjifa zava-mahadomelina ny zanaky ny filoha. Miteraka tsy fifankazahoana izao raharaha izao. Esy ankilany, nilaza ny vadin’ny filoha fa tsy anjaran’ny hafa ny mitsara azy amin’ny fomba fitaizany ny zanany. Miantso amin’ny fanatsaharana ny fifampiandaniana kosa ny sasany izay tsy momban’ny atsy sy ny aroa. Tsy azo atao koa anefa ny mandrara ny olona tsy hamoaka ny heviny nohon’ny efa firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny. Raha toa ka voararan’ny lalàna eto Madagasikara fa tsy azo atao ny fanaovana fanalam-baraka tsy misy porofo.
Fanilo Rarivoarilala
