ActualitésTsidika

Hisy ny fitaterana ireo mpanala fanadinana Baccalauréat karakarain’ny kaominina Ivato

Hitatitra ny mpianatra hanala fanadinana Baccalauréat ao anatin’ny kaominina ho eny Ambohidratrimo izay toerana hanaovana ny fanadinana ny kaominina Ivato. Izany no natao mba ahazoana antoka fa tonga soa aman-tsara eny amin’ny toerana hanaovany ny fandinana izy ireo ka ho afaka hiatrika tsara izany am-pilaminana ary ihany koa mba hahazahoana antoka fa ho tafaverina any an-tokatranony avy.

Raha tsiahivina dia hotontosaina ny 9 hatramin’ny 12 Aogositra izao ny fanadinana manerana ny nosy. « Natao izao mba tsy hanano sarotra ny fandehanan’izy ireo eny amin’ny foiben-toerana hanaovana ny fanadinana izay eny Ambohidratrimo » hoy ny Ben’ny tanàna Ivato, Penjy Randrianarisoa. « Soa fa nisy izao hevitra izao satria ny fakana fiara mody ety Ivato sy Ivato makeny Ambohidratrimo dia somary sarotsarotra ihany ka sao dia mety ho sakana tsy hahatongavana ara-potoana » hoy i Richard, raim-pianakaviana manna-janaka hanala Bacc. « Izahay manokana izao tsy manana fiara manokana mety hitatitra anay, nahafaly anay mihitsy izao fisian’ny fitaterana izao » hoy i Sabrinah, mpanala fanandinana monina eny Mandrosoa.

Mila ny fanohanana avy amintsika ray aman-dreny tokoa mantsy ireo mpianatra hanala fanadinana ireo mba hahazahoana vokatra tsara satria eo lalandava isika hanohana azy. Tsy ny ray aman-dreny niteraka ihany akory fa ny ray aman-dreny eo anivon’ny fitondrana ihany koa dia efa anisany ary efa anisany izao ataon’ny kaominina Ivato izao. Hanao ahoana ny mety hiatrehana izany ?

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire