Mpangalatra tratra, saika haka moto an’ny polisy tao Ambomilamina Ambositra
Nisy tovolahy iray niditra tao amin’ny fefin’ny paositry ny polisy tao Ambohimilamina Ambositra, anio 3 aogositra tokony ho tamin’ny 4 ora maraina. Tsikaritr’ilay mpitandro filaminana manao fiambenana ny nidirany ary narahiny maso tsara soa dia mba olona mila vonjy satria ny andro mbola tena maizina. Tsy nisalasala anefa lay rangahy nanatona teo amin’ireo moto nipetraka ao anaty fefy ary nisafidy tsara izay tiany dia nanosika moramora ka izy handeha hivoaka ny vavahady iny no noraisim-potsiny. « Niditra ilay tovolahy ary noheveriko ho mila polisy satria toa tsy nisy fisalasalana mihitsy izy, tsy nahita ahy izy fa izaho kosa nahita azy ; gaga aho raha nahita fa kay mpangalatra izy ity » hoy ilay polisy nanao fiambenana.
Voaloavo sasatry ny miaina ka saka matory no alàm-bolom-bava » hoy ny olona teo amin’ny manodidina. Tsy mifidy izay asian’ny tongony intsony ny mpangalatra hany ka manatona ny mpisambotra mihitsy tahaka ity niseho ity. Inona no tena nanosika azy hanao izao ? Fitsiriritana ny fananan’ny polisy sa vokatry ny tsy fisiana fotsiny amin’izao ?
Nicole Rafalimananjara
