Comores : Dos du dragon, toerana miavaka
Tangorom-bato (chaine de rochers) ao amin’ny tananan’Ivoini, ao avaratr’i Grande Comores ny « Dos du dragon ». Naka endriky ny « dragon » izy io rehefa nandeha ny fotoana.
Misy ireo mpikaroka nilaza fa volkano io toerana io fahiny saingy nikaon’ny rika ka nanome io endrika io. Voahodidin’ny tora-pasika roa izy ary ahatazanana ny îlot de Ndrude. Anisan’ireo zava-boahary tsara indrindra ao Comores kosa io toerana io.
