ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Maro ireo liana amin’ny fianarana kabary

Efa nanomboka ny 23 oktobra lasa teo ny fianarana kabary tao amin’ny Kaominina Talata Volonondry, izay nokarakarain’ny fikambanan’ny Mpikabary Malagasy, sampana Iarivo Avaradrano.

Miara-miasa amin’ny kaominina Ambanivohitra Talata Volonondry izy ireto, ary ao amin’ny EPP Talata Volonondry no hanatanterahana izany isaky ny sabotsy. « Andrianiko ny teniko, hoy ny fitenenana. Ilaina na amin’ny fiainana andavanandro aza ny kabary mba ahafahantsika mitondra manoloana ny tranga iray » hoy ny avy ao amin’ny Fimpima Sampana Iarivo Avaradrano.

« Zava-dehibe ho an’ny mponina izany mahay mikabary izany, ary ankehitriny aza efa maro mihitsy ny mivelona ao amin’io sehatra iray io, ka tsara raha entina hitondrana fampandrosoana eto amin’ny tanàna ny kabary » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan ‘i Talata Volonondry. « Efa ela mihitsy aho no te hahay hiteny imasom-bahoaka, hitondra ny teny fiarahabana na fisaorana, saingy tsy mahay mandaha-teny, ka ny fianarana kabary tahaka izao no sehatra azo hitrandrahako izany » hoy i Christophe, mponina ao Talata Volonondry.

Efa misampana manerana ny nosy, hatrany ivelany mihitsy, ity fianarana kabary ity. Izany no porofo fa zava-dehibe ho an’ny olona ny mahay azy. Kolontsaina iray mbola manana ny lazany rahateo izy eto amintsika, ka tsara raha vohizina hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire