Ambodivoara : Mbola hita eo ilay voara nahatonga ny anaran’ny tanàna.
Fokontany iray ao anatin’ny distrikan’Avaradrano, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely i Ambodivoara. Raha hihazo ny lalam-pirenena faharoa, izay mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina iny, dia toerana tsy maintsy lalovana Ambodivoara. Izy no mampihaona ny lalam-pirenena faharoa sy By pass.
Tsy zoviana amin’ny maro raha io toerana io, ary manana ny tantarany koa anefa. Tsy hoe toeram-piantsonan’ny zotram-pitanterana fotsiny akory ny eo Ambodivoara, fa fokontany izy io, ary ahitàna mponina sy tanàna ao aminy. Vao tsy ela izao no nisy fikambanana nanatsara sy nanome endrika vaovao ny zaridaina manamarika an’Ambodivoara, ary nasiany sary lolo mahafinaritra eo afovoany.
Raha ara-tantara dia tsy latsa-danja amin’ireo kaominina sy fokotany maro eto Imerina izy, fa manana ny azy koa, hoy ny fitantaran’i Dera Fenosoa sefo fokontany ao an-toerana : « fahiny tamin’ny andron’Andrianmpoinimerina, dia nitazana an’Ambodivoara avy eny Mnjakamiadana izy, ary nahita fa mahatehotia io tanàna kely io. Rehefa nidina nijery sy niala sasatra teny izy dia nanome ny anarana hoe Ambohimangakely. Nisy voara naniry teo an-toerana, ka izay kosa no nahatonga ilay hoe “Ambodivoara”. Mbola eo izy io mandran-kankehitriny, ary anisan’ny vakoka ihany koa no iantsoana azy. Raha ny finoan’ny mponina dia rehefa misy mikapa io Voara io dia misy lozam-pifamoivoizana matetika ao amin’ny lalana. Mbola memetraka ny hasiny mantsy ny ankamaroan’ny mponina, ka manja fatratra ny vakoka mirakira ny tantara ».
Voahodidina fokontany efatra ny eo Andranovao, izay tsy iza fa vohitra misy an’Ambodivoara. Nisy mpirahavavy nonina tao Andranovao avaratra, ary nisy olona avy eny Ambohitrabiby eny nagataka ny iray tamin’izy roa dia tsy iza fa ilay atao hoe Razoary. Teo amin’ny andro nanantaterahana ny fangatahana mihitsy no teraka ny anarana hoe Andranovao. Tara fotoana ireo mpangataka, ary noana ny olona niandry ka nohanina ny sakafo. Rehefa lany ny sakafo dia tonga ny vahiny. Notapohina ranovao indray ny sakafo, ary izay no nahatonga ilay hoe “Andranovao”, teo ambany fifehezan’Ambohimalaza ny tanàna fahiny faha mpanjaka ary renivohiny mihitsy Ambodivoara. I Rabibiandanitra no anaran’ny lehibe nifehy azy tamin’izany ary mbola voarakitra ao amin’ny fasany hatramin’izao ny anarany. Rabibiandanitra dia kaomandy mpifehy ny tanàna, ary ny mpanjaka no nanendry azy, eo ambony vatolampy ny fasany ary safidiny mihitsy izany, misy tsangambato koa eo amin’izany toerana izany.
Raha ny tena marina dia Andranovao no tena fokontany, ary Ambodivoara no renvohitry ny fokontany. Izany hoe ao anatin’ny vakim-paritra no misy an’Andranovao. Manana ny teny mampiavaka azy ny fokontany : « fatsakan’Andranovao, midina mitondra zezika miakatra mitondra rano », any ambany toerana be mantsy ny fantsakana, ka izay no nahatonga izany.
Mbola misy koa ilay hoe « vono voalavon’Andranovao ka ny maty ihany no damangoina ». Nisy fifaninana nampanaovin’ny mpifehy tamin’izany noho ny fisian’ny aretina pesta, ka nasaina nisambotra ireo voalavo rehetra ny miaramila. Noho ny tandrevaka anefa dia tsy nahazo izy ireo, ka voalavo iray no nafindrafindra rehafa nandeha ny fisavana, ka izay no nahatonga io oha-pitenenana io.
Noho ny fivoaran’ny tanàna dia miha-maro ny mponina ao an-toerana, ary miaina toy ny mponina an-drnivohitra ihany koa. Efa misy jiro mantsy any an-toerana, ary ahitana orin’asa maro koa. Misy olona mpmboly sy miompy ihany koa anefa ao an-toerana na izany aza.
Raha liana ny hijery sy hitsidika izany Ambodivoara izany dia afaka mandray ny zotra E izay azo raisina eo Ankadimbahoaka, amin’ny tobim-piantsonana « fasika » makany by-pass na koa avy ao Andravoahangy ambany. Toerana malalaka sy azo ialan-tsasatra tsara izy, ary afaka misitraka zavatra maro ianao.
Lovasoa Tojonirina
