ActualitésTatitra

France : Manana ny fampianarany manokana amin’ny paikadin’orinasa i Frédéric Fréry

Mpamianatra mpikaroka eo amin’ny sehatry ny paikadin’ny orinasa, fitantanana ary fanavaozana i Frédéric Fréry. Teraka ny 5 desambra 1966 tao Paris izy. Mampianatra ao amin’ny ESCP sy CentraleSupélec ny tenany. Mpanoratra ihany koa izy ary boky mampianatra ireo taranja vohiziny ireo no tena soratany.Manana ny fampianarany manokana amin’ny paikadin’orinasa i Frédéric Fréry. Mizara telo izany ho azy dia ny « Valeur » misahana modely ara-toekarena, ny « imitation » misahana ny tombony amin’ny mpifaninana ary ny « périmètre » misahana ny sehatra hiasana. Ireo no fototra ho azy ary efa nanoratany boky ihany koa izany.

Laisser un commentaire