ActualitésTatitra

Canada : Lehilahy nahazo 20 tapitrisa dollars tamin’ny « loto »

Monina ao Manitoba ao Canada i Jerry Knott, nahazo 20 tapitrisa dollars tamin’ny « lotterie » izy ny herinandro vitsivitsy lasa teo. Roa volana tao aorian’ny fisarihana vao hitan’i Jerry ity tapakila nahazoany vola an-tapitrisany ity. Efa tamin’ny 24 aogositra mantsy ny fisarihan’ny Lotto Max saingy nampirimin’ity lehilahy ity ny tapakilany ary tamin’ity volana ity izy vao tonga saina tamin’ny fisiany. Hanatanterahiny tetikasa hoy izy io vola be azony io.

Laisser un commentaire