Ambohimanambola: Efa manomboka ny fanaovana andrana ho an’ireo mpivarotra, mpanjifa ny servisy Raoka fako
Ny fiatombohan’ny herinandro teo no nanomboka ny fanentanana ireo mpivarotra isam-pokontany ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ireo tomponandraikitra avy amin’ny servisy Raoka fako. Nanomboka ny fanaovana ny andrana ho an’ireo mpivarotra manamorona ny lalam-be ny mahakasika ny servisy Raoka fako, araka ny voalaza.
“Anisan’ny fomba iray entina hifehezana ny fako ihany koa ny fakana ireo fako eny amin’ireo tsena amoron-dalana. Ny tsena amin’ny maha tsena azy dia misy fako miodina sy tsy ilaina ihany koa ao. Mbola mitohy hatrany moa ny fanentanana ireo mpivarotra hafa mba ahafahana mifehy izany tanteraka” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny servisy.
“Manamora ny fiainana kokoa ilay hoe misy maka isam-baravarana ny fako. Hita mihitsy ny fahasamihafana eo amin’ilay misy fandraisana an-tanana ny fako sy ny tsy misy. Hisaorana ny tomponandraikitra nitondra izany hevitra izany fa tena mety” hoy i Rina, mpivarotra.
Fomba iray entina hitantanana ny fako ao amin’ny kaominina ny Servisy Raoka fako. Tsiahivina fa tanjon’ireo tomponandraikitra misahana izany ny hanamorana ny fandaminana ny resaka fako ao an-toerana. Ity farany izany anisan’ny miteraka olana rehefa diso miparitaka sy tsy ampy fandraisana an-tanana.
Manitra R.
