ActualitésTsidika

Masindray : Nisy ny fitsirihana ireo lalana rarivato

Nisy ny fitsirihana ny asa vita tamin’ireo lalana rarivato nataon’ny faritra Analamanga tany Antaramanana Masindray. Niaraka tamin’ny fitalevam-paritry ny asa vaventy izy ireo tamin’izany.

« Tsara raha foto-drafitr’asa azo antoka no omena ny taranaka. Ny fikojakojantsika azy ireny ihany koa no tena mampiaritra be azy » hoy ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga. « Ny asa lalana tanterahin’ny Faritra Analamanga dia ezahana hatrany ny hampanarahana an-tsakany sy an-davany amin’ny izay voasoratra tao anatin’ny bokin’andraikitra. Ilaina ny fitsirihana tahaka izao mba hahafahana manao tombana ny asa vita » hoy hatrany izy ireo.

Hitondra fampandrosoana lehibe ho an’ny kaominina tokoa ity lalana ity. Hirariana ny mba hikojakojantsika azy tsara ho an’ny taranaka rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire