CultureSocialTatitra

Kenya : Inona no niandohan’ny « Révolte des Mau Mau » ?

Ny fikomian’ny Mau Mau dia hetsiky fikomiana tao Kenya tany amin’ny taona 1950. Tany ampiandohana ny Mau Mau dia fihetsiketsehana ara-poko izay nifototra tamin’ny fanafahana ny rafitra sy ny fahasahiranan’ny vahoakan’ny Kikuyu. Io vondrona mpikomy io noho izany dia niady ho an’io foko io izay nogejain’ny Fanjakana britannique tao Kenya.

Ny volana oktobra 1952 nefa dia nanomana fandringanana ny Mau Mau ireo mpanjanaka anlisy tao an-toerana. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara Caroline Elkins dia naherin’ny 100 000 ny mpitolona sy ny sivily maty tamin’izany ary naherin’ny 300 000 ny Kikuyu voatazona tao amin’ny tobin’ny mpanjanaka.

Na dia teo aza izany fandringanana izany dia nitazona ny hetaheta nasionalistany ny Kikuyu ary nahazo izany tamin’ny alalan’ny fahatongavan’i Jomo Kenyatta teo amin’ny fitondrana ny taona 1963. Izy dia nosokajian’ireo anglisy nitarika ny Mau Mau.

Laisser un commentaire