Pérou : Nandresy tamin’ny fifidianana i Pedro Castillo
Maherin’ny 99% ny bileta voaisa nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena any Pérou ny Alarobia 9 Jona alina teo. Hita ho nitana ny laharana voalohany tamin’ny isa ilay kandidà Pedro Castillo satria nahazo ny vato 50,2% raha 49,7 % ny azon’ny mpifaninana taminy i Keiko Fujimori. Tsy faly tamin’izao i Keiko Fujimori ka nangataka ny tsy hanekena ny bileta 200 000 nanoloana ny tribonaly elektoraly. Tsy mbola navoaka ofisialy araka izany ny valim-pifidianana fa nilaza ny hamerina hanamarina ireto bileta ireto ny mpitsara ny fifidianana. Nisy mantsy ny bileta nitakosona sy tsy tamin’ny toerany ka mila hamarinana sy hiverenana jerena hoy ny vahoaka mpifidy any an-toerana. Tsy mbola nisy ny firenena niarahaba an’i Pedro Castillo araka izany raha ny filohan’i Bolivie teo aloha, Evo Morales ihany no efa niarahaba azy sahady ny amin’izao fandreseny izao.
