ActualitésTatitra

Brésil : Sambo iray no nidona tamin’ny tetezana tao Rio

Sambo iray mirefy 200 metatra ary misy sakany 30 metatra no nifandoana tamin’ny tetezana mampitohy an’i Rio de Janeiro amin’ny tanànan’i Nitero ny fiandohan’ny herinandro teo. Marihana fa irony karazany sambo mikatona sy misokatra irony io tetezana io.

Tsy nisy ny aina nahafoy nandritra io fifandonana io saingy nitarika toham-boivoy naharitra tao amin’ny faritra izany. Nanamafy ny PRF (police routière fédérale) tao Rio fa naharitra or maro izany fiatohana izany.

Raha ny fanazavan’ny Marina kosa dia votsotra ny tady nihazona io sambo io nohon’ny toetrin’ny andro ratsy. Fantatra kosa fa an’ny orinasa Navegaçao Mansur ny sambo.

Laisser un commentaire