ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitaraina manoloana ny tsy fisian-drano ireo mponina ao Ambohitrarahaba

Mitaraina manoloana ny tsy fisian’ny rano ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba amin’izao fotoana izao. Tsy mandeha ny rano efa tao anatin’ny fotoana maharitra izao, ka ny alina no voatery mitady rano ireo ireo mponina.

« Efa maro be ny fangatahana sy fitarainana nalefa tamin’ny tomponandraikitra momba ny rano ety an-toerana saingy hatreto tsy mbola hita ny vahaolana maharitra manoloana izany. Milaza ny tomponandraikitra fa olana ara-teknika no anton’ny zava-misy. Mijaly ireo mponina satria ny alina no mitady rano, raha mahita iray bidona anefa tsy ampy izany » hoy i Zoé, mponina ao ambohitrarahaba.

« Ny tena olana dia ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra ary tsy misy vahaolana maharitra atolotry ny tomponandraikitra. Ny mpanjifa rano anefa dia mandoa vola vidin’ny rano hatrany isam-bolana. Tsy araky ny rariny intsony ny zava-misy ankehitriny » hoy i Fara, renim-pianakaviana.

Olana sedrain’ny kaominina maro tato ho ato ny tsy fisian’ny rano. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra araka izany mponina, ary miandry ny famahana ny olana haingana.

Laisser un commentaire