France : Vehivavy iray nikasa hanatitra zava-mahadomelina tamin’ny « drone » ka nilatsaka tao an-tokotanin’olon-tsotra
Fomba fanaterana zava-mahadomelina efa tsy vaovao amin’ireo mpanao fanadihadiana any France intsony ity tranga ity. Amin’ny alalan’ny Drone no hanatanterahan’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Tamin’ny taon-dasa efa nisy ny tranga toy izany saron’ny polisy tao Carquefou. Ny sabotsy teo, tovovavy iray indray no tratra tao Nantes, France. Nahanton’ity tovovavy, 20 taona ity, tamin’ny drone, ary nofonosany ba kiraro ireo canabis. Latsaka tao an-tokontanin’olon-tsotra anefa izany ka ity farany no nampandre ny mpitandro filaminana. Rehefa notadiavina ny nipoiran’ity drone, dia tratra tao amin’ny « parc » niaraka tamin’ny « télécommance » teny an-tanany ity tovovavy ity. Rehefa nosamborina sy natao fanadihadiana moa ity vehivavy ity dia nilaza fa efa nahavita nanatitra zava-mahadomelina izy ny alin’ny alahady, talohan’izao nahatratrarana azy izao.
